Hetsiky ny LMK Hiragasy goavana eny Bemasoandro

Hanao hetsika ho amin’ny fanohanana sy fanampiana ny ao aminy ny sampana eo anivon’ny fiangonana katolika etsy Bemasoandro.

Mikarakara seho hira­gasy ny eo anivon’ny Lehilahy misionera katolika (LMK), eny amin’ny fiangonana katolika (Ekar) Bemasoandro, Itaosy. Hifa­nandrina amin’izany ny tarika Raveloson Jean Ba avy any Arivonimamo sy ry Sahon­drafinina zanany avy etsy Fenoarivo. Hotanterahina ny alahady 30 jona izao izany, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny kianja malalaka Antanikatsaka, eny Itaosy. Hanomboka hisokatra amin’ny 8 ora maraina ny vavahady amin’izany. Ho hita eny an-toerana koa ireo sakafo sy tsakitsaky samihafa ary zava-pisotro isan-karazany. Hamidin’ireo mpikarakara amin’ny vidiny mirary izany.

Ho adin’ny samy henjana

Ho adin’ny samy henjana sy goavana io ka tsy hifampi­tsitsy ny roa tonta eny an-kianja. Na eo amin’ny zanakira na koa ny vakodrazana miaraka amin’ny dihy mampiavaka ny tarika avy. Eo koa ny feo manga sy ny fitafiana… Tana hifampitana ny roa tonta amin’ izany.
Tsiahivina fa natokana manontolo ho amin’ny fampitaovana ny fiangonana ny vola ho azo amin’izany hetsika karakarain’ny LMK Bema­soan­dro izany. Anisan’izany ny dabilio hanampiana ny efa ao anatiny amin’izao fotoana izao.

Synèse R.

Partager sur: