KORONTANA AMIN’NY 26 JONA: mampitandrina izay mikasa ny hanakorontana ny Emmo-Nat

Mazava ny toromarika ! Fety tsy misy korontana manerana ny Nosy. Hentitra ny Emmo-Nat, mampitandrina izay mikasa ny hanakorontana.

Fankalazana amim-pirahalahiana sy milamina no andrasan’ny mpikarakara amin’ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena, ra­hampitso, etsy Mahamasina sy ireo distrika eny anivon’ny faritra. Miisa 3 077 ny mpitandro filaminana hahetsika amin’ny fiarovana ny toerana. “Tsy handefitra amin’ny fanakorontanana mandritra ny fety izahay”, hoy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. “Hisy toromarika harahina ary handray fepetra avy hatrany izahay raha vao mahita fandikan-dalàna”, hoy izy nanamafy. Aminy dia midika ho tsy fanajana ny mponina sy ireo nitolona ho an’ny fahaleovantenan’ny firenena ny fikasana hamorona korontana.
Nanamafy izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de police, Rakotoarimanana Herilala. Nambarany fa mila filaminana sy fandriampahalemana ny firenena. Hiantohana ny filaminana manerana ny Nosy, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. “Efa nandre momba ny fikomiana sasany amin’ny korontana izahay saingy hanao ny zava-drehetra hialana amin’izany ny solontenanay”, hoy izy ireo.
Fety miavaka
Mivondrona ny mpitandro filaminana mandritra ny fankalazana ny fety. “Tsy azo ampitahaina amin’ny fety hafa izy ity satria fotoana ahafahan’ny olom-pirenena manamafy ny fitiavan-tanindrazana”, hoy ny minisitra delegen’ny Zanda­rimariam-pirenena, ny jeneraly Andry Rakoton­drazaka.
Efa hiatrana amin’ny toerana stratejika maromaro eto an-drenivohitra ny mpitandro filaminana. Ho loha-laharana ny eto afovoan-tanàna sy ny manodidina, mialoha ny lanonana. Tsy ny eto Antanana­rivo ihany fa sahala amin’izay avokoa ny lamina. Ny tomponandraikitry ny tanàna tsirairay kosa no hametraka ny lamina mahakasika ny fandaminana ny tanànany avy, fa ny fitandroana ny filaminana no iandreketan’ny Emmo.

Lin

Partager sur: