Minisiteran’ny Mponina: notsimbinina ireo ankizy zanaky ny fianakaviana tena sahirana

Nahatsiaro manokana ireo ankizy tetsy Isotry ny minisiteran’ny Mponina, omaly. Mendrika ny hanao fety toy ny ankizy rehetra izy ireo amin’izao fetin’ny Fahaleovantena izao.

Notsimbinina manokana ireo ankizy zanaky ny fianakaviana sahirana, omaly, tetsy Isotry. Nitsidika azy ireo ny minisitry ny Fi­tsarana, Randriamanan­tena­soa Landy Mbolatiana, sady minisitry ny Mponina mpisolo toerana.
Nankahery sy nampifaly ary nitondra fanomezana ireo ankizy miisa 200 teny amin’ny Akanin’ny Fianakaviana miarina (Seba) sy ny Akany Fia­lofana (Madcap), teny Isotry, izy ireo.
Tsy hadino ireo ankizy 20 marary manaraka fitsaboana ao amin’ny HJRA sy ny ankizy 28 ao amin’ny hopitalin’ny an­kizy Ambohimiandra. Akoa­tra izay, novangiana ihany koa ireo vehivavy voafonja mitaizakely miisa 43.
Vary, menaka, ronono, savony, labozia sy kojakoja maro no nomena ireo ankizy mba hahafahany manao fety toy ny zana-bahoaka.
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Faha­leovantena sy fankalazana ny iray volan’ny ankizy ny hetsika.
“Ndao hatambatra ny hery ho fiarovana ny zon’ny ankizy”. Io no lohahevitra voizina nandritra ity volana ity. Mie­zaka manatanteraka izany ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ka mitsimbina ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana tena sahirana. Mpangataka an-dalambe, mpanasa lamba, mpitaona entana, mpantsaka… no ankamaroan’ireo ray aman-drenin’ireo ankizy. Misy tena tsy manan-kialofana mihitsy ka mipetraka amin’ireo akany sahanin’ny fanjakana.
Ankoatra ny hetsika fizarana fanomezana dia miezaka mampahafantatra ny zon’ny ankizy ihany koa ny mpiantsehatra. Tanjona ny hahafantaran’ny ankohonana sy ny fiarahamonina ny zo fototry ny ankizy mba hanajan’izy ireo izany fa indrindra ho fiarovana ireo ankizy mba tsy ho very zo.

Tatiana A

Partager sur: