Rugby- « Africa Men’s Seven 2024 »: hifanandrina amin’ny ekipa nigeriana ny Makis

Hotanterahina any amin’ny Nosy rahavavy, Maurice, ny 29-30 jona sy ny 6 hatramin’ny 7 jolay ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina, taranja rugby lalaovin’olona fito. Ao anaty vondrona A no misy an’i Madagasikara.

Afaka andro vitsy! Hiatrika lalao iraisam-pirenena indray ny ekipam-pirenena malagasy Makis, ny 29 jona ho avy izao, any amin’ny Nosy Maurice. Ny ekipan’i Kenya sy Nigeria ary i Maurice, mpampiantrano no miray vondrona amin’ny Makis ao amin’ny sokajy “A”. Raha ny fikarohana natao, omaly, ny ekipa nasionalin’i Nigeria no hifanandrina amin’izy ireo voalohany, amin’ity fifaninanana afrikanina, ho an’ny rugby lalaovin’olona fito, “Africa Men’s Seven 2024”, ity.
Aorian’izay, ry zareo mpandray ny fifanintsanana, i Mau­rice, no hihaona amin’ny ekipa nasionaly malagasy ary hamarana azy ny fifanandrinana amin’i Kenya. Ankoatra izay, miisa 12 mirahalahy ny mpilalao nantsoin-dRakotoa­rivelo Mboazafy, na Coach Razily, handrafitra ny Makis. Araka ny vaovao voaray, teo anivon’ny Malagasy Rugby, hanainga, anio, etsy Ivato, hihazo ny Nosy Maurice, ny Makis.
Ankoatra izay, hatao any Tunisie, ny faran’ny volana oktobra sy ny 2 hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fifanintsanana ho an’ny vehivavy, raha ny fanazavana azo teo anivon’ny Malagasy Rugby hatrany.

Fitia Randria

Partager sur: