Tsy nisy aina intsony, lehilahy 23 taona hita faty teny amin’ny fokontany Ambatotokana, kaominina Talatamaty, distrika Ambohidratrimo, afakomaly. Tsikaritry ny mpandalo vao maraina ny fisian’io olona io nitsirara tamin’ny tany. Efa niankohoka, navadiky ny nanatri-maso izy saingy efa tsy niaina intsony. Taitra ireo nanatri-maso ka niantso ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany. Nampandre ny mpitandro filaminana koa izy ireo. Nidina ifotony nizaha io lehilahy hita faty io ny mpitsabo ao amiin’ny CSBII avy eny an-toerana. Nivoaka faroratra rahateo ny vavan’io lehilahy io. Nozahana, voamarina fa namoy ny ainy vokatry ny fisotroan-toaka tafahoatra izy. Tsy nisy ratra ny faritry ny vatany. Nosavaina tany anaty akanjony ka nahitana ny karapanondro misoratra amin’ny anarany. Ahina ho tratra alina io lehilahy io ka natory an-dalana.
Tsiferana R.