Tsy mahantra ny Malagasy

Mihanoka tanteraka anatin’ny asaramanitra Ramalagasy. Fety aman-danonana natokana hanamarihina ilay fahaleovantenan’ny firenena, feno 64 taona. Fiaraha-mikoragna sy mifaly manerana ny tanàna. Hanadinodinoina ny fahasahiranana mianjady amin’ny isam-batan’olona. Mahavariana ny mahita ny ankamaroan’ny olona manjifa ny tolotra fialamboly etsy sy eroa. Mifanitsakitro manerana ny tsena.
Mipetraka ny fanontaniana: mitombona ihany ve ireny antontanisa havoakan’ny manampahaizana sy ny fikambanana iraisam-pirenena ireny? Tsy ahitana taratra izay fahantrana izay ny fomba fiainan’ny mponina. Anisan’ny tena manaitra aza ny eny amin’ny toerana heverina ho marefo. Alim-pandihizana etsy, filokana sy filibana eroa. Feno hipoka ny trano fisotroana sy ny fisakafoana eny amoron-dalana. Vola mivoaka daholo anefa izany!
Fomba fijery hafa mihitsy io fifampizarana io, satria na lazaina fa farahidiny indrindra maneran-tany aza i Madagasikara dia hita fa tsy mihafihafy izany rehefa“ hirevy” sy “hanala azy”. Voizina fa manana fikorontanan-tsaina ny 50 % ny Malagasy, 80 % miaina ambanin’ny 1 dolara isan’andro, sns. Asa re!? samy manana ny maridrefiny tokoa angamba io? Ny Malagasy rahateo mahari-pery sy mahazaka dona tsara. Tsy mivaky loha fa izay mipoitra eo dia zakany avokoa. Endrika fahaleovantena hafa mihitsy no azo andikana azy.
Voatery ny mahazaka-tena tsy fidiny ny Malagasy, rehefa teren’ny zava-misy. Sarintsarim-pahaleovantena kosa anefa eo amin’ny tontolo politika sy ny fifandraisana iraisam-pirenena. Na izany na tsy izany, miaina toy ny olon-drehetra ny Malagasy. Raha ampitahaina amin’ny rotorotom-piainana sy ny fidangan’ny vidim-piainana any ivelany, tena mbola azo leferina ny eto. Raha fehezina:“ Tsy mahantra ny Malagasy, fa lasibatry ny fitantanana mitanila fotsiny”.

r.r

Partager sur: