Vehivavy mitondra vohoka: tokony hanao fitiliana VIH/Sida avokoa

Fitiliana iray tokony hataon’ny vehivavy mitondra vohoka ny fitsirihana ny tsimokaretina VIH/Sida ao aminy raha toa ka mitondra izany izy na tsia, ka hanomezana azy ny fitsaboana sahaza azy. Afaka manaraka fitsaboana ilay ve­hivavy tsy hamindra amin’ny zaza ao am-bohoka ka ilaina ny fanatonana tobim-pahasalamana misafo sy manao ny fitiliana.
Ho an’ i Madagasikara ma­nokana izay mitovy amin’ny zava-misy any Afrika Andre­fana, mbola vitsy ny tahan’ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina, tsy voaresaka loatra ity valanaretina ity, araka ny nambaran’ny talen’ny siansa sy ny rafitra ho an’ny rehatra ao amin’ny ONU-Sida, ao Genève, Dr Fodé Simaga. Fantatra anefa fa miha mahazo vahana ny tsimokaretina, indrindra eny anivon’ny tanora, noho ny tsy fahampian’ny fanentanana hanao fitiliana. Mila ezaka avy amin’ny fanjakana sy ny firaisamonina sivily misehatra amin’ny fahasalamana hanamafy ny fanentanana eny ifotony.
Olana lehibe hafa koa ny fanilikilihana ny olona mitondra ny tsimokaretina eny anivon’ny fiarahamonina izay mitarika azy ireo hisitrika nefa lasa sakana amin’ny fisitrahana fitsaboana sy fahazoana ny fanafody Antiretroviraux (ARV) izany.
Aty Afrika, mahatratra 37% amin’ny ankizy mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida no mihinana ARV.

Vonjy

Partager sur: