Baolina kitra – «Euro 2024»: sahirana vao tafita amin’ny 1/8 i France

Ambivitra vao tafakatra amin’ny dingana ampahavalon-dalana i France, eo amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina «Euro 2024». Fifaninanana tanterahina any Allemagne. Ny talata lasa teo, nisaraka ady sahala, 1 sy 1, tamin’i Po­logne, teo amin’ny andro fahatelo sady farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ry zareo. Baolina tokana, tafiditr’i Mbappé, tamin’ny alalan’ ny Pénalty.
Tetsy an-kilany, resin’i Autriche tamin’ny isa 3 no ho 2 i Pays-Bas. Io faharesen-dry zareo Hollandais io no nahazoan’ny frantsay ny tapakila hanohizany ny diany. Nita­zona ny laharana faharoa i France manarakaraka an’i Autriche. Taorian’ny fahavitan’ny lalao, nanambara ireo frantsay mpijery baolina fa diso fanantenana tamin’ny endri-dalao nasehon’ny Les Bleus satria Pénalty no hany baolina tokana matin’ny ekipany ary tsy nahitana endri-dalao mahafinaritra.
Ankoatra izay, nisaraka ady sahala 0 no ho 0 tamin’i Slovenie i Angleterre. Tsy afapo tamin’ny vokatra azon’ny anglisy ihany koa ireo mpomba azy ireo ka nitaky ny hialan’i Southgate, mpanazatrany. Samy tsy nisy nitoko koa Danemark sy i Serbie.
Hatreto, 11 ireo firenena efa tafita amin’ny dingana ampahavalon-dalana amin’ity «Euro 2024» ity dia i Allema­gne, Suisse, Espagne, Italie, Angleterre, Danemark, Slo­vénie, Autriche, France, Pays-Bas, Portugal.

Tompondaka

Partager sur: