Famoahana voka-pifidianana: miantso fanajana ny fahamarinana ny FFKM

“Miantso ny FFKM ny hanajana hatrany ny fahamarinana, indrindra ny voka-pifidianana. Fa mariky ny fanajana ny safidin’ny vahoaka izay tompon’ny fahefana izany, ary antoka amin’ny hisian’ny fandriampahalemana sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra”. Io ny hafatry ny FFKM tamin’ny 23 jona ary nampitainy, afakomaly, amin’ny fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialy. Mitaona ireo depiote nofidin’ny vahoaka hisolo vava azy hanatanteraka ny andraikitra amin’ny fanajana ny fahamarinana. Fa ny fahamarinana no manandratra avo ny firenena.
Manaraka izay, manainga anareo mba hanaja sy hanatanteraka amin’ny asa sy ny teny izay nampanantenainareo ny vahoaka nifidy anareo nandritra ny fampielezan-kevitra nataonareo. Ataovy lohalaharana ny hikatsaka ny tombontsoa ho an’ireo vahoaka maro anisa izay miaina anaty fahasahiranana lalina ankehitriny. Lehibe ny andraikitrareo, araka ny fahefana omen’ny Lalàmpanorenana anareo, ka tanteraho amim-pahamendrehana izany. Satria “Ny fahotan’ny tany mahamaro mpanapaka; fa ny fisian’ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana”. (Oha 28: 2), ary “Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina”. (Oha 28: 28).
Miantso ny rehetra mba hanamafy ny fifankatiavana sy ny fanajana ka hikatsaka izay hahasoa sy hahatsara ny firenena sy ny vahoaka malagasy ny FFKM. Aoka hialana ny hambompo sy ny fikatsahana ny tombontsoa manokana, ary ny FFKM dia maneho ny fahavononany hatrany hijoro ho raiamandreny.

R. Nd.

Partager sur: