Nanao fanambarana fiarahabana sy firariantsoa amin’ny anaran’ny vahoaka amerikana ho an’ny filoha Rajoelina Andry sy ny Malagasy amin’izao fetim-pirenena izao ny filoha Joe Biden. “Mirary soa ho anao sy ny vahoaka malagasy amin’izao fankalazanareo ny faha-64 taonan’ny fetin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara izao izahay”, hoy izy.
Notsiahiviny ao anatin’izany ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny firenena roa tonta. Nanampy tamin’ny fananganana hoavy tsara kokoa ho an’ny vahoakantsika sy ny vahoaka maneran-tany isika, araka ny nambarany. “Iarahantsika ny fanalefahana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny rohivoahary sarobidy”, hoy ihany ny filoha amerikanina. Nambarany fa manamafy hatrany ny finiavany hiaraha-hiasa amin’i Madagasikara i Etazonia amin’ny fanohanana ireo rafitra demokratika matanjaka, hampiroborobo ny fandrosoana ara-toekarena, ary hanamafy ny fahaiza-manaon’ny mponina ao aminy.
“Mirary fety sambatra sy amim-pilaminana ho anareo amin’izao fetim-pirenenareo izao ny tenako”, hoy ny filoha Joe Biden, teo am-pamaranana.
Synèse R.