Fotoam-pitsarana etsy Ambohidahy: hamoaka ny voka-pifidianana ny HCC, anio

Andrasan’ny maro. Hamo­aka ny voka-pifidianana ofisialy ho an’ireo depiote, natao ny 29 mey teo, ny eo anivon’ny HCC, anio amin’ny 10 ora. Ho azon’ny besinimaro hatrehina izany fotoam-pitsarana manetriketrika izany.
Ho fantatra amin’ny didy tsy azo ivalozana havoakany eo ireo depiote miisa 163, manerana ny Nosy. Tahaka izany koa ny valin’ireo fitoriana sy fitarainana maherin’ny 1000 voarain’ireo mpitsara avo, etsy Ambohidahy. Ani­san’izany ary tena ifantohan’ny mason’ny mpanara-baovao ireo distrika nafampana amin’ny fiahiahiana hosoka sy hala-bato na koa tsy fanarahan-dalàna. Eo ohatra ny any amin’ny distrikan’i Faratsiho, nifanandrinan’ny vovonana Irmar sy ny avy amin’ny vovonana Firaisan­kina. Samy nitory avokoa na ireo nandresy na ireo resy tamin’iny fifidianana iny. Nametraka fitoriana tamin’ny fanaraha-maso nataony koa ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ary nitanisa ireo fihoaram-pefy sami­hafa.Hanana ny teny farany momba izany rehetra izany ny eo anivon’ny HCC. Efa nanambara rahateo ny filohan’ity Andrim­pankjakana ity, Rakotoarisoa Florent, fa tsy handefitra amin’ireo tsy fanarahan-dalàna niseho tamin’iny fifidianana depiote iny.

Synèse R.

Partager sur: