Anio amin’ny misandratrandro no hivoaka ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Andrasana izay ho mpandresy ka hisandratra, handrombaka ny amboara nimatimatesana. Efa maromaro ihany ny kandidà lany teny amin’ny Ceni, no tazana eny an-kianja rehetra eny, ary efa misalotsalotra ny maha depiote, voafidim-bahoaka, azy.
Asa hanao akory ny didy hivoaka anio, izay voalaza fa dia an-jatonjatony na ho an’arivorivony mihitsy, araka ny tsilian-tsofina mivoaka avy eny an-dapan’ity fitsarana ity. Marobe ny fitaraina voaray, ka izay no somary nampitarazoka ny famoaham-bokatra. Tafiditra anatin’ny tetiandro fototra napetraky ny HCC anefa izany.
Anisan’ny andrasan’ny besinimaro ny mahakasika ny distrikan’i Faratsiho. Nahabe resaka noho ny faharesena vonjimaika ny minisitra am-perinasa teny anivon’ny Ceni. Ankilany, ity farany izay tsy manaiky mora fa mampiasa ny fahafehezany ny lalàna. Nikatrodoha andro aman’alina ny ekipany. Nitady ny hirika araka ny paikadim-pitsarana ahafahana manatratra ny tanjona tiany sy ny antokony hotratrarina.
Andaniny anefa ny ekipan’ny mpifanadrina aminy, izay somary nangiana sy nipirimpirina, taorian’ny fotoam-pitsarana niezinezina teny Ambohidahy. Ny resy tsy miady rahateo no voa mafy. Mbola miandrandra ny maha matihanina an’ny mpitsara ambony izy ireo. Milaza ny tsy hanaiky ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka.
Ny mpanara-baovao sy ny mpitazana kosa manoloana izany, miandrandra didy madio, tsy mitanila, ary mampibaribary ny fangaharahana sy ny fahaleovantenan’ny fahefana mpitsara. Asa mety hitsimbadika ve ny rasa? Aleo ny anio no hamaly izany. Samy tomponandraikitra feno amin’izay hiseho anio sy ny ho avy rahateo ny mpiantsehatra rehetra anatin’ny raharaham-pifidianana.
r.r