Milaza ho vazaha: mpanodinkodin-jaza nahiditra eny Tsiafahy

Misandoka ho teratany vahiny, tratran’ny mpitandro filaminana ka nahiditra eny Tsiafahy ny lehilahy iray mpanadala sady manery zaza tsy ampy taona amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Hampiresahany ireo tanora tsy ampy taona ireo hanome sary mamoafady. Misoloky ho vazaha rahateo io lehilahy io ka manambitamby ireo ankizy tsy ampy taona ireo. Vantany mahazo ny horonantsary, miresaka amin’ny teny malagasy amin’ireo ankizy izy. Hampitahoriny ireto farany. Rahonan’io lehilahy io fa haparitany amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera amin’ny fianakavian’ilay lasibatra. Nanao vela-pandrika ny zandary. An-jatony ny horonan-tsary mamoafady sarona teny aminy. Nakarina fampanovana ny raharaha ka niafara amin’ny fitazomana am-ponja io voarohirohy io.

Tsiferana R.

Partager sur: