Rabevahiny: “Tsy mbola vita ny tolona tena fanafahana an’i Madagasikara”

64 taona no niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Mby aiza? Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia: “64 taona aty aoriana, azo lazaina hoe tsy mbola mahaleo tena isika fa mbola ao anatin’ny ady amin’izay hoe fitadiavana Fahaleovantena izay”. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Aminao, inona no hoe Faha­leovantena?
Rabevahiny Elia (-): Misy teboka maromaro tsy maintsy tenenina… Voalohany, ny fiandrianam-pirenena: eo ny lafiny tany, antsika ve ny tany? Faharoa, ny lafiny toekarena sy vola: isika ve no mifehy azy? Raha mijery lavidavitra ny sehatry ny fampianarana, ohatra: tena fantatsika sy haintsika ve ny tantaram-pirenena ary tena isika ve no nanoratra azy? Maro ny lafin-javatra mila jerena. Tsy tokony hohadinoina: ny nitondra teto Madagasikara nanomboka tamin’ny Repoblika I dia tsy ireo niady ho amin’ny Fahaleovantena fa notolorana fahefana hahazoana mitondra antsika. Nefa mbola teo ihany ny fanjanahana. Manana Tafika isika, manana saina, manana vola, misy ny rafi-pampianarana… Toy ny hoe mahaleo tena i Madagasikara. Nefa hita hoe mbola zaza navelan’ny mpanjanaka ihany na ny ankamaroan’ny mpisehatra potilika aza. 64 taona aty aoriana, azo lazaina hoe tsy mbola mahaleo tena isika fa mbola ao anatin’ny ady amin’izay hoe fitadiavana Fahaleovantena izay.

* Inona no ady atrehina hahazoana izay Fahaleo­van­tena izay?
– Raha ny fomba fijerin’ny mpanoratra, mbola ao anatin’ny “Mitady ny very” isika. Raha ny lafiny politika indray amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny Otrikafo: mbola tsy maintsy manohy ny tolona efa natombok’ireo Malagasy tena tia tanindrazana fa tsy ireo sarintsariny. Hatramin’izao, tsy mbola vita ny tolona ho amin’ny tena fanafahana an’i Madagasikara. Raha tsy tohizantsika izay tolona izay fa izao sarintsarina fahaleovantena sy sarintsarina rafitra ara-toekarena sy politika izao no tohizana: mamitaka ny taranaka fara mandimby isika, raha milaza hoe izao ny fahaleovantena na izao no nitoloman’ireo raiamandreny nanomboka tany amin’ny Menalamba sy ny Sadiavahy… Mila ovaina ny rafitra ara-politika mba hifanaraka amin’izay ilain’ny vahoaka malagasy sy afa-mamaha an’izao fahantrana izao. Rafitra ara-panjanahana no misy. Izay no mila ovaina mba hahazoana manala an’i Madagasikara amin’izao fahasahiranana izao sy hitondra azy any amin’ny tena fahaleovantena.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: