Rugby – «Africa Men sevens 2024»: i Kenya no mety ho sakana ho an’ny Makis de Madagascar

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 7, ny Makis de Madagascar, sokajy Senior, lehilahy. Ao amin’ny vondrona “A”no misy an’i Madagasikara, miara-dalana amin’i Kenya.

Hanomboka amin’ny sa­botsy 29 jona ho avy izao, ao amin’ny Kianja Lambourdonnais Stadium, ao Port Louis Maurice, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, rugby ho an’olona 7 Senior, lehilahy, na ny “Africa Men sevens 2024”. Anisan’ ireo hiady izany ny Makis de Madagascar, izay efa any an-toerana nanomboka ny talata teo. Ao amin’ny vondrona “A” no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Kenya sy i Maurice, mpampiantrano ary i Nigeria.
Nambaran-dRazily, mpanazatra, fa azo atao tsara ity vondrona misy ny Makis ity. Ry zareo Kenyanina no mety hanahirana saingy efa niomanana tsara. Nomarihiny kosa fa tsy misy azo ambaniana ireo mpifanandrina rehetra miatrika izany. Na eo aza izany, heverina fa tsy hahasakana ny Makis de Mada­gascar i Maurice, izay ekipa mifankahalala tsara. Ny fiadiana ny volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy ny fihaonana nikatrohan’ny roa tonta farany ka nivoaka ho mpandresy ny Makis. Hanala vela ao an-jaridainany izany ry zareo maorisianina, amin’ity.
Raha ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ny Makis ny Voroma­herin’i Nigeria. Aorian’io, hifanandrina amin’i Maurice ary amin’i Kenya ny lalao farany. Hiatrika ny ampahefa-dalana ireo ekipa 2 voalohany isan-tsokajy miampy ny ekipa roa tsara toerana indrindra. Lalao hatao ny alahady 30 jona ho avy izao.
Tsiahivina fa misy dingana roa ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity. Ny dingana manaraka, hatao ny 6 sy ny 7 jolay 2024. Tsiahivina fa 12 ireo firenena hiady ho lohany amin’ity “Africa Men sevens 2024” ity dia i Maurice, Nigeria, Kenya, Madagascar, Burkina Faso, Tunisie, Ou­ganda, Côte d’Ivoire, Zambie, Afrika Atsimo, Algerie ary i Zimbabwe.

Tompondaka

Partager sur: