Niteraka resabe ny hiram-pirenena, tao Mahamasina. Na ireo nanatri-maso na ireo nanaraka tamin’ny fahitalavi-pirenena dia nahatsikaritra ny tsy fetezana avokoa. Araka ny fanazavana voaray, vokatry ny olana ara-teknika teo amin’ny fanamafisam-peo izany, ka nisy tsy nivoaka ho henon’ny besinimaro ny feon’ny mpihira sasany. Olana efa mpitranga matetika rehefa fety lehibe izy ity.
Mbola hisy ny seho iarahana amin’i Rija Rasolondraibe, ny sabotsy 29 jona izao, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Seho maimaimpoana izy ity, ankoatra ny tapakila VIP. Na izany aza, mila alaina mialoha ny tapakila satria voafetra ihany ny toerana, ho an’ireo maniry ny hanatrika ity fiderana an-kira goavana ity.
“Iray volan’ny teny malagasy” nomarihina tany Kanada. Atrikasa fiofanana momba ny haisoratra sy ny teny malagasy no nentina nanamarika izany. Hajaina Andrianasolo, filohan’ny fikambanana Havatsa-Upem sady akademisianina rahateo, no nizara ny fahaiza-manaony sy ny traikefany tao anatin’ny telo andro misesy. Fotoana nanehoany ihany koa ny dia lavitra sy ny ezaky ny tontolon’ny teny malagasy.
Hisy ny atrikasa fanoratana horonantsary, iarahana amin’i Raymond Rajaonarivelo, ny 8 hatramin’ny 12 jolay 2024, ao anatin’ny MFF, andiany faha-19, atao eto Antananarivo. I Raymond Rajaonarivelo, izay anisan’ny kintan’ny fanatontosana horonantsary malagasy. Mbola hisy ihany koa ny hetsika hafa mitovy amin’izay mandritra ny MFF.