Cisco Antananarivo Renivohitra: miisa 24 667 ny mpiadina BEPC amin’ity taona ity

Haharitra hefarana ny fanadinam-panjakana BEPC, izay hosantarina amin’ny alatsinainy ho avy izao. Manome torohevitra amin’ny fomba fiatrehana amim-pilaminana ny fanadinana ny mpampianatra satria efa vita tanteraka ny famerenana ho an’ny taranja rehetra.

Hanomboka amin’ny ala­tsinainy ho avy izao ny fiatrehana ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Manamasaka ny toromarika madinidinika sisa no ataon’ny mpampianatra tsirairay, amin’ity herinandro farany ity, satria efa nozaraina tamin’ny mpiadina avokoa ny fizarana samihafa ary vonona izy ireo. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, 24 667 ny isan’ny mpiadina amin’ity taona ity. 21 546 nisafidy ny sokajy A ary 3 120, sokajy B. 35 ny foibem-panadinana handray ireo mpiadina, anatin’ny efatra andro. 18 ny mpiadina manana fahasembanana. Ilay lehilahy 46 taona mpiadina zokiny indrindra tamin’ny CEPE ihany no be taona indrindra ho an’ny BEPC. Eny amin’ny lycée Rabearivelo izy no hiatrika ny fanadinana. Ankizi­vavy 9 taona kosa ny zandriny indrindra, eny anivon’ny foibem-panadinana Lycée mo­derne Ampefiloha. Ho an’ny vondrona G1, manala ny BEPC fotsiny, 2 466 izy ireo, G2, sady manala BEPC no mifaninana hiditra kilasy 2nde, mahatratra 22 196 ary ny G3, mifaninana ho an’ny kilasy 2nde fotsiny, dimy izy ireo. Efa voazara avokoa ny taratasy fiantsoana fa afaka mandalo eny amin’ny foiben’ny Cisco ireo manana olana momba izay. Misokatra ny faran’ny herinandro ny foibem-panadinana hahazoan’ny mpiadina mijery ny efitrano hiadinany. Ho an’ny akany misahana ny marenina eny 67ha manokana, 16 ny mpiadina BEPC ka ny enina amin’ireo mpianatra mandre tsara fa miara-mianatra amin’ny ankizy manana olana amin’ny fahenoana fotsiny.
Ho an’ny Cisco Avara­drano, 8 936 ny isan’ny mpiadina, hiparitaka amin’ny foibe 23. Ankizy 11 taona ny zandriny indrindra, ary 33 taona no zokiny indrindra amin’ny mpiadina. 8 495 tamin’ireo mpiadina no niatrika ny adina ara-panatanjahantena.

Vonjy

Partager sur: