Tontosa antsakany sy andavany ny fankalazana ny fetin’ny asaramanitra 2024, teto amin’ny Nosy. Anisan’ny nahavita izany ny tetsy amin’ny disitrika Ambohidratrimo.
Niara-nientana sy niara-paly ny rehetra nandritra ny hetsika maro teny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny tanjona napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. “Malagasy miara-mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”, io ny lohahevitra nanamarihina izany. Niavaka tamin’ny fanajana ny ora nifanomezana sy fahamatorana ara-potoana ny teny an-toerana. « Nampiavaka ny fankalazana ho an’ny tety an-toerana ny fanombohan’ny lanonana tamin’ny fahamatorana ara-potoana satria nanomboka tamin’ny 9 ora tsy diso ary nifarana tamin’ny 11 ora sasany izany”, hoy ny lehiben’ny disitrikan’Ambohidratrimo, Raharijaona Andoniaina Norosoa.
Nomarihina tamin’ny hetsika maro samihafa ny fankalazana. Toy ny hetsika ara-kolontsaina, fanatanjahantena teo amin’ny sampandraharaha maro. Teo ihany koa ny fanaovana matso teny amin’ny kianja manara-penitra, ny andron’ny 26 jona. Nandraisan’ny sampandraharaha maro ao anatin’ny kaominina 24, ny fokontany rehetra, nanerana ny disitrika anjara. Nitarika izany ny lehiben’ny zandarimaria sy ny ekipany miasa eny an-toerana. Narahin’ireo sekoly maro, orinasa miankina sy tsy miankina. Niara-paly teny anivon’ny tokantrano kosa ny vahoaka tsirairay taorian’ny lanonana. Tsy nanadino niarahaba ny vahoaka rehetra nahavita soa aman-tsara ny fetim-pirenena sy ny foloalindahy ihany koa izy nandritra izany.
Mino