Fetim-pirenena: olona 4 000 nilahatra manohana ny Base Toliara

Vonona hampihodina ny toekarena hiadiana amin’ny fahantrana ny mponina manohana ny hanokafana ny orinasa Base Toliara. Nanao filaharambe izy ireo nandritra ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena tany an-toerana.

Anisan’ny nampiavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny 26 jona teo, tany Toliara I, ny filaharambe nataon’ny olona manohana ny Base Toliara, manodidina ny 4 000 avy amin’ny fikambanana miisa 55, sady nitondra sora-baventy.
Tsy very fanantenana izy ireo, toa an’i Aurélie. «Tsa­pako fa tena sahirana ny vahoakan’i Toliara. Manga­taka amin’ny filoham-pirenena izahay, ny hanokafana ny Base Toliara. Manana diplaoma ny zanakay nefa tsy ma­nana asa », hoy izy. Manam­py izany i Manjosoa, « Tsy afaka mamelona ny ankohonana izahay rehefa tsy misy asa. Tsy manan-katao izahay nefa manana diplaoma. Tsy hijaly intsony izahay raha misokatra ity orinasa ity ».
Tsy tongatonga ho azy ny datin’ny 26 jona, satria tsapan’ireo fikambanana miisa 55 ireo fa lalana mankany amin’ny fahaleovantena ara-toekarena, ny fisian’ny orinasa indostrialy vaventy, sady hitondra fampandrosoana any an-toerana.

Hiteraka asa maro
Notsorin’ i Maria , filohan’ ny fikambanana Ampela Miavotse, fa «hiteraka asa mivantana sy tsy mivantana ny fisian’ity orinasa ity. Hiroborobo ny varotra eto an-toerana, ny fitaterana, ny fisakafoana sy ny fiantranoana, ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, sns ».
Toa an’i Nomenjanahary Crépin Espérant, solontenan’ ny mpanjono, nilaza fa « tohananay tanteraka ny Base, satria inoanay fa hanampy anay ara-pitaovana izy ». Ho an’i Martial, « marobe ny tanora tsy an’asa ka lasa mitarika posy bisikileta sisa. Hamaha izany ny fisian’ny Base Toliara ».
Nohamafisin’izy ireo fa « mamafy lainga ny mpanohitra ny Base, milaza fa miteraka aretina ity tetikasa ity. Efa an-taonany maro ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy any Taolagnaro sy Toamasina, fa tsy mitombina izany na kely aza ».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: