Filohan’ny HCC: “Maro ireo fitoriana nahafeno fepetra”

“Nahatratra 1 529 ny fitoriana voaray, ary nodinihina avokoa. Satria tafiditra ao amin’ny anjara andraikitry ny HCC, ny mpitsara, ireo fitarainana sy fifanolanana momba ny fifidianana solombavambahoaka”. Io ny nambaran’ny fi­lo­han’ny Fitsarana avo mom­ba ny lalàmpanorenana (HC C), Rakotoarisoa Florent, teny amin’ny Lapan’ny fitsarana, Ambohidahy, omaly, taorian’ny famakiana ny lisitry ny depiote voafidy. Maro ireo fitoriana tsy azo nodinihina, fa tsy mahafeno fepetra araka ny lalàna. Maro amin’izany no nampiharan’ny HCC ny fahefana omen’ny lalàna azy hitsirika avy hatrany ny antontan-taratasim-pifidianana, ka na­napahany hevitra raha misy tsy fanarahan-dalàna.
Maro koa ireo fitoriana fangatahana fanafoanana voka-pifidianana noho ny fihetsika voalaza fa tsy manara-dalàna sy fanamparam-pahefana, fampiasana fitaovam-panjakana ataon’ireo olom-boatendry isan-karazany nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny androm-pifidianana, ka tsy manaja ny tsy fitanilana amin’ ny fifidianana. Raha voamarina ny fisian’izany, tsy mitarika fanafoanana vato avy hatrany. Na izany aza, voasazy ara-keloka izay nanao izany. Ma­nome fahefana ny HCC hitory any amin’ny fitsarana ady heloka ireo nanao ny tsy mety rehetra tamin’iny seha-pifidianana iny ny lalàna. “Hanao izany tokoa izahay tahaka izay efa nataonay tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika”, hoy izy.
Ny momba ny kolikoly sy ny hoe fividianana vato, mety nisy tokoa ny nanararaotra ny fahantran’ny Malagasy. Nefa sarotra ny fanaporofoana izany, ary na nandray vola aza ny mpifidy dia malalaka ny safidiny.

R. Nd.

Partager sur: