h« Euro 2024 » – 1/8 N-dalana: Hifandona i France sy i Belgique

Efa fantatra avokoa ireo firenena 16 hiatrika ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, taranja baolina kitra, izay atao any Allemagne. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro, amin’izany, ny fifanandri­nan’ny les Bleus France sy ny Diables Rouge Belgique, izay hotontosaina ny alatsinainy 1 jolay, ao amin’ny kianja Esprit Arena.
Mbola manala vela amin’ny ekipam-pirenena frantsay ny devolimenan’i Belgique, satria lavon’ny les Bleus, 3 no ho 2, izy ireo, ny taona 2021 lasa teo. Araka ny filaharan’izy ireo amin’ny Fifa: faharoa i France ary fahatelo i Belgique. Raha ny fikarohana natao, hifandona amin’izay tafavoaka amin’i Portugal sy i Slovenie, ny ekipa tafita amin’izy roa ireto. Tsara marihina fa hanomboka rahampitso ny ampahavalon-dalan’ny «Euro”, ka ny ekipan’i Suisse sy Italie, no hanokatra izany.

Fitia Randria

Fandaharan-dalaon’ny ampahavalon-dalana :
29 jona:
7 ora hariva: Suisse vs Italie
10 ora alina: Allemagne vs Danemark
30 jona:
7 ora hariva: Angleterre vs Slovaquie
10 ora alina: Espagne vs Georgie
1 jolay:
7 ora hariva: France vs Belgique
10 ora alina: Portugal vs Slovenie
2 jolay:
7 ora hariva: Roumanie vs Pays Bas
10 ora alina: Autriche vs Turquie

Partager sur: