Indray mijery

Ny fitiliana no ahafantaran’ny olona tsirairay ny toe-pahasalamany. Rehefa nahavita fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida ny olona iray dia sady miaro ny tenany, no miaro koa ny fianakaviany. An-tsitrapo ary maimaimpoana ny fitiliana atao. Nampahafantarina ao amin’ny pejy facebook minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny toerana ahazoana manatanteraka izany isaky ny faritra tsirairay.

Vita ny fiofanana sy fifampizarana mahakasika ny lohahevitra “Papa positive” natao tany Taolagnaro, ny herinandro lasa teo, niarahana tamin’ny fikambanana Autisme Madagascar. Manana anjara toerana lehibe ao an-tokantrano sy amin’ny fitaizana ary fanabeazana ny ray satria andry hiankinana eo amin’ny fiainana amin’ny lafiny rehetra.

Mampahatsiahy ny birao nasionaly miady amin’ny famarinana olona fa ny voafaritry ny lalàna eto Madagasikara dia tokony ho feno 18 taona ny tanora, lahy sy vavy, vao afaka miditra amin’ny fanambadiana. Vokatry ny krizy mianjady amin’ny ankohonana nefa, zary mahazo vahana ny fomba taloha: fampanambadiana zaza tsy ampy taona na dia loharanom-bola sy harena maloto aza.

Fampiofanana momba ny fandraharahana indray no omen’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana manomboka eto. Iandraiketan’ny Fitaleavana misahana ny fampiofanana mitohy sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao izany. Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ny tanora, ny fiofanana.

Partager sur: