Lalana RN12 Amboarina ny tetezan’i Faraony

Mandroso ny fanarenana vonjimaika ny lalam-pirenena RN 12, nanomboka ny 17 jona lasa teo, tarihin’ny ekipan’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Fitovinany. Manomboka eo amin’ny tetezan’i Faraony ny asa, mankany Manakara ary hitohy hatrany Vohipeno. Nohamafisina tamin’ny Béton armé  ny arabe sy ny sisiny, hiarovana ny lalana tsy ho mora simba sy tsy hihotsaka sady tsy hiangonan’ny rano. Nasiam-panamboarana ny fivarinan’ny rano sy ny lakandrano. Tanjona ny hanamafisana sy ny hanatsarana ny lalam-pirenena, izay vatsian’ny fanjakana foibe vola.
Mitotaly 302 km ny lalam-pirenena faha-12, mampitohy faritra telo (Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana). Efa vita godirao ny ampahany, Vohipeno hatrany Farafangana. Ary izao harenina izao ny eo Manakara hatrany Vohipeno.
Anisan’ny efa narenina, vita godirao ihany koa ny lalana mampitohy an’Irondro sy Manakara, tamin’ny faran’ny desambra 2023. Famatsiam-bola avy any amin’ny Banky iraisam-pirenena.

Njaka A.

Partager sur: