Mandray anjara amin’ny hetsika ny tarika LohArano

Hetsika lehibe ho an’ny tontolon’ny gadona metal sy Rock maneran-tany , atao isan-taona, ny « Hellfest Open Air Festival ». Miditra amin’ny andiany faha-17 izany amin’ity taona ity.

Tanterahina ao Clisson Frantsa, ny 27 hatramin’ny 30 jona 2024, ny «Hellfest Open Air Festival». Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny mozika mavesatra, andraisan’ny tarika avy amin’ny firenena maro anjara. Anisany sy misolo tena ny fianakaviamben’ny mozika metal eto Madagasikara, ny tarika LohArano. Ankoatra ny fampivondronana ny mpiangaly ity gadona ity, manerana izao tontolo izao, tanjona ny hisian’ny fifampizarana eo amin’ny samy mpanakanto mpihira mivoy ny mavesatra.
Efa any an-toerana ny tarika LohArano miatrika ny “Hellfest Open Air Festival”, amin’izao. Tsiahivina fa anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika lehibe ity ihany koa ireo tarika malaza eo amin’ny gadona metal sy rock. Anisan’izany ny Metallica, Avenged Seven Fold, Simple Plan, Baby Metal, Mr Bungle…. An-jatony ny tarika mivoy ireto gadona ireto mandray anjara amin’ny seho. Ho an’ny tarika LohaArano manokana, ao amin’ny sokajy “HellStage” no misy azy ireo, ary efa nisy ny fiakarana an-tsehatra, omaly. Anisan’ny nifampizara sehatra ta­min’izy ireo, tamin’izany, ny tarika Anenged Seven Fold, izay anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny gadona metal sy rock.
Reharehan’izy ireo ny fandraisana anjara amin’ity fampisehoana ity sy ny fihaonana amin’ny tarika mivoy ny gadona mavesatra, avy amin’ny lafivalon’ny tany. Ankoatra izay, mifanindry an-dalana amin’izay hatrany, manatanteraka fitetezam-paritra any Frantsa ihany koa ny tarika, nanomboka ny fiando­han’ity volana ity.

Lin

Partager sur: