“Metal scène 2024”: hiray sehatra ry Manïa, Apost ary Iniah

Fotoana manaraka ho an’ireo mpankafy ny mozika mavesatra. “Metal scène 2024”, hotontosaina ny 30 jona ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny eny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy. Tarika telo efa manana ny lanjany eo amin’ny mozika metal no hifampizara sehatra mandritra izany: ny tarika Apost, Iniah ary Manïa.
Nosafidiana manokana ireto tarika ireto, araka ny filan’ny mpankafy. Efa elaela no tsy tazana an-tsehatra ankalamanjana ny tarika Apost, na dia nanohy ny mozika teo ihany aza. Manana hira vaovao hozaraina amin’ny mpankafy ry Abass sy ny tariny
amin’io. Tarika iray manana sanganasa maha te hihaino foana kosa ny Iniah. Hain’izy ireo ny nanafangaro ny mavesatra sy ny maivana, hanome mozika mora raisin’ny sofina. Vao namoaka rakitsary medley izy ireo, hanomezana fofony ny mozikan’ny Iniah. Seho manaraka taorian’ny tetsy amin’ny Ivokolo Analakely kosa ity ho an’ny Manïa. Manan-kozaraina amin’ireo mpankafy izy ireo, toy ny “Lasanao”, hira vaovao hivoaka rakitsary tsy ho ela.
Ny Giant no hikarakara ny hetsika. Efa fantatra eo amin’ny sehatry ny fikarakarana seho rock rahateo, satria izy ireo no niketrika ny “Rage of Rock”, ny Tselatra sy Kiaka, sns. Nosafidian’ny mpikarakara manokana ny Kianja Maitso Analamahitsy, noho izy toerana kelikely afaka hilalaovana feo tsara, ka mampiaina kokoa ny fampisehoana.

Zo ny Aina

Partager sur: