Mpamily notambazana Sprinter: mpitsara novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Tranga iray nampihorohoro ny namonoana ny Tonia mampanoa lalàna, niasa tao Mahajanga. Taorian’ny nahitana ny razana teny Antsahadinta, olona 15 voasambotra.

Sakaiza manody! Ny mpamily ilay mpitsara novonoina no namono azy, hoy ny polisim-pirenena. Ankoatra azy, tratra ihany koa ny olona 14 hafa. Anisan’iza­ny ny lehilahy roa, nanampy azy tamin’ny fanaperana ny ain’ilay Tonia mpampanoa lalàna. Niara-nandevina an­tsokosoko ny razana, tao amin’ny trano tsy lavitra ny tranony ihany koa izy telo lahy. Niakatra fampanoavana omaly, izy ireo.
Raha tsiahivina ny raharaha, niala tao an-tranony, tany Mahajanga, ilay mpitsara sy ny mpamiliny. Tsy hitan’ny fianakaviana, tsy nandrenesam-baovao intsony izy. Ny 19 jona vao hita izy saingy efa razana simba. Nalevin’ireo olon-dratsy tany Antsahandita ny vatana mangatsiakany. Nisokatra ny fanadihadiana, voasambotra teny Alatsinainy Ambazaha ny mpamiliny. Niaiky ny helony izy rehefa natao ny fanadihadiana lalina. Nanondro tsikelikely ny namany sy ny mpiray tsikombakomba izy na­nomboka teo.
Notambazana fiara
Nanome hevitra sy nampanatontosa ilay vono olona mahatsiravina ny sakaizan’ilay mpamily. Ity farany izay nampanantena fa hanome fiara Sprinter iray azy raha mahavita ny iraka. Resy lahatra ny lehilahy ka naka namana roa lahy niara-namono an’ilay mpitsara. Mbola tsy tanteraka ny fanambazana dia efa tra-tehaka avokoa ny mpiray tendro. Ankoatra azy telo mpamono mivantana, nosamborina ilay vehivavy mpaniraka, niampy 11 hafa.
Hatreto tsy mbola nivoaka ny vaovao mahakasika ny antony mazava namonoana an’ity mpahay lalàna ity.
Marihina, notanterahina tetsy amin’ny fitsarana Tam­po­ny Anosy, ny fanomezam-boninahitra an’ilay mpitsara namoy ny ainy, omaly maraina. Nentina nihazo ny tanindrazany any Befotaka Antso­hi­hy ny razana.

Tsiferana R.

Partager sur: