Tsy nahazo medaly ny Malagasy atleta mianadahy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona ambony torapasika «Beach Wrestling», izay natao tany Sénégal, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsara marihina anefa fa samy nandresy am-boalohany avokoa izy ireo.
Hahemotra ny volana jolay ho avy izao, ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Telma Coupe 2024”. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 3 jolay ho avy izao izany. Hotontosaina ny 7 jolay kosa ny famaranana an’ity fifanintsanana ity.
Nanainga omaly, tetsy Ivato, hihazo ny Nosy rahavavy La Réunion, ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, sokajy lahy sy vavy, hiatrika ny fifaninanana eo amin’ny taranja basikety 3×3, “Runball”, izay karakarain’ny ligin’i La Réunion. Tsiahivina fa hanomboka rahampitso hatramin’ny alahady izao ny fifaninanana.
Hiditra amin’ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Amerika “Copa America”, izay hatao any Etazonia, ny mpankafy baolina kitra, anio sy rahampitso. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonan’i Brésil sy i Paraguay. Tsiahivina fa ny Seleçao Bresilioanina no tompondaka lefitra tamin’ny fifanintsanana Copa farany teo.