Taranja bisikileta – « Ocean Indien 2024 »: “Vonona tanteraka aho” hoy i Mohamed Houlder

Tonga ity ny fotoana ho an’ny Malagasy mpankafy ny taranja bisikileta. Hiatrika ny fifaninanana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara, ny 29 jona hatramin’ny 3 jolay ho avy izao.

Hotanterahina any Mau­rice, manomboka ra­hampitso hatramin’ny 3 jolay ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja bisikileta. Ilay Malagasy, i Fitahiantsoa Amédée Dino Mohamed na Mohamed Houl­der, no hiaro ny voninahitr’i Madagasikara, any an-toerana, mandritra ny fifanin¬tsanana. “Vonona tanteraka aho hiatrika ny fifaninanana”, hoy ity Malagasy mpankafy bisikileta ity, omaly.
Tsara marihina fa miisa valo ireo firenena handray anjara. Ankoatra an’i Mauri­ce, mpampiantrano, hifanintsana ao i Madagasikara, Comores, Mayotte, La Réu­nion, Maldi­ves, Seychelles ary i Sri lanka. Tsiahivina fa i Houlder irery no Malagasy nahazo medaly ali­mo, nandritra ny “Lalaon’ny Nosy 2023”, izay natao teto Ma­dagasikara. Ampahatsiahi­vina ihany fa efa tafiditra ao anatin’ny fandaharam’potoan’ny Federasiona iraisam-pirenena UCI ity fifaninanana ity ka hiezaka mafy i Houlder, mba hahazo vokatra tsara.
«Mafy daholo ny mpandray anjara amin’ity, ary samy efa nanomana avokoa. Raha ny fahitako azy, dia i Maurice no mafy indrindra satria izy ireo no manana lenta ambony kokoa, eto amin’ny ranomasimbe Indianina, ary tombony ho azy ny fampiantranoiny ny fifaninanana”, hoy ihany ity Malagasy mpilalao ity.
Raha tsy misy ny fiovana, mety hotontosaina eto Mada­ga­sikara, ny taona 2025, ny andiany faharoan’ity fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity. Marihina fa ny filohan’ny Federasiona ma­lagasy (FMC), Relaha Jean Claude, no mpitantana ny komity rejionalin’ny taranja bisikileta aty amin’ny ranomasimbe Indianina.

Fitia Randria

Partager sur: