Tsipy kanetibe – “Masters 2024”: lavo teo amin’ny manasa-dalana i Madagasikara

Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fifaninanana “Masters 2024”, dingana voalohany izay natao tany France. Resin’ny mpilalao voafantin’ny mpampiantrano, 13 no ho 1 izy ireo, nandritra ny manasa-dalana.

Notanterahina, omaly, tany Saint Gilles Croix France, ny fifanintsanana “Masters 2024”, dingana voalohany, taranja tsipy kanetibe. Raraka teo amin’ny lalao manasa-dalana ny ekipam-pirenena malagasy, rehefa lavon’ny ekipa frantsay, mpampiantrano, 13 no ho 1.
Tsy nahatohitra an-dry Dylan Rocher, i Henri La Croix sy i Jean Feltain ary David Roerr, mpilalaon’i France 2, mihitsy ny Malagasy nisy an-dry Baloti, Havana sy Hery ary Tselonina, tamin’ity dingana alohan’ny famaranana ity.
Efa nitarika 4 no ho 0 ny frantsay, vao nitoko iray ny Malagasy mpilalao. Tsara marihina fa “7 mènes” ihany nataon’ny roa tonta.
Raha hiverenana ny dingana vitan’i Madagasikara tamin’ ity fifaninanana ity, re­sin’izy ireo, 13 no ho 9, ny ekipa “Wild–Card” misy an’i Philippe Quintais, frantsay mpilalao efa nandrombaka ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany in-17, nandritra ny lalao voalohany. Nam­piondrehan’i Mada­gasikara tamin’ny isa mazava, 13 no ho 7, ny ekipa voafan­tin’ny Saint Gilles, teo amin’ny lalao faharoa.

Tsara ny vokatra
Azo lazaina fa tsara ihany ny vokatra ho an’ny Malagasy tamin’ity “Masters” ity, efa teo am-pototry ny famaranana izy ireo no nihintsana. Tsiahivina fa izao indray i Madagasikara vao nahazo fanasana hiatrika izany. Ampahatsiahivina ihany fa tsy afaka niatrika izany mihitsy ny ekipa nasionaly malagasy teo aloha, noho ny sazy nianjady tamin’ny Fede­rasiona malagasy (FSBM).
Raha ny fikarohana, hatao any Nevers, ny 21 hatramin’ny 22 aogositra ho avy izao, ny dingana faharoan’ity fifaninanana ity. Ankoatra izay, hiatrika ny fifaninanana La Marseil­laise, manomboka ny 30 jona hatramin’ny 5 jolay ho avy io ny ekipa malagasy.

Fitia Randria

Partager sur: