Vangaindrano: zazavavikely varira notapahin-doha

Velon-taraina ny fikambanan’ny olona manana toetena varira eto Madagasikara fa mbola mitohy ny sompatra ataon’ireo mpamono olona amin’izy ireo. Tany vangaindrano, tamin’ity herinandro ity, zazavavikely varira vao 10 taona no novonoin’ny jiolahy tany Bevato Tsahalana, distrika Vangaindrano.
Notapahina ny tendany ary nentin’ireo mpamono olona any ny lohany. Tetsy andaniny, naratra mafy ireo ray aman-dreniny ka nampidirina hopitaly.
Mandeha ny fikarohana ireo jiolahy nahavanon-doza, raha ny tatitry ny filohan’ny fikambanana.
Tranga faha-10 tamina fanafihana ireo varira nitranga tamin’ity taona ity io niseho io, raha ny fanazavana. Ny 4 tamin’ireo dia maty avokoa raha 6 avotra soa aman-tsara.
Mahatsiaro tena ho tsy misy mpiahy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny herisetra sy tsy fandriampahalemana hatao amin’izy ireo. Anisan’ny tena lasibatra ny ankizy, na lahy na vavy. Any Atsimo Atsinanana, beazina amina foibe manokana ireo varira iarovana ny ainy ka tsy maintsy misaraka amin’ny ray aman-dreniny.

Tatiana A

Partager sur: