Voka-pifidianana: mipetraka ny fifandanjan-kery ao amin’ny Antenimierampirenena

Navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana,omaly, ny voka-pifidianana ofisialy. Tsy nifanalavitra tamin’ny vato navoakan’ny Ceni izany.

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohida­hy, ny lanonana namoahana ny voka-pifidianana ofisialy, tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024. Miisa 163 ny depiote nofidian’ny vahoaka. Handray ny asany amin’ny talata 9 jolay 2024 izy ireo.
Toy ny raharaham-pitsarana rehetra, nisy ihany ny fanovana sy fanafoanana ny vokatra. Tsy nanova firy ny vokatra navoakan’ny Ceni anefa izany. Mbola nahazo ny maro anisa ny Irmar, miisa 84. Fa­haroa ny tsy miankina, miisa 51. 21 kosa ny avy amin’ny vovonana Firaisankina, 4 avy amin’ny Fivoi ary iray avy avy amin’ny vovonana kolektifa sy ny Antoko Maitso ary ny GJMP.
Ankoatra ny voka-pifidianana. Nisy ny didy hafa na­voaka. Nolavina avokoa ny fitoriana mangataka fanalana an-daharana kandidà. Nola­vina koa ny mahakasika ny fandraisana anjaran’ny mpiasam-panjakana sy fampiasana fahefam-panjakana. Nisy ny fanafoanana vato tao Fa­ratsiho, Moramana­ga, Mae­vatanàna ary Fe­noarivo Atsi­nanana.

Tsy an’olon-tokana
Samy nanana ny nandikany ny voka-pifidianana ny re­hetra, omaly. Nanana ny heviny kosa ny kandidà tsy miankina, lany tao amin’ny boriborintany III, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa. Nanao antso avo ny depiote mahaleo tena izy mba hanambatra ny hery ka hanangana vondrona parlemantera iray matanjaka. “Hatao tena hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka izany fa tsy ho an’olon-tokana sy vondron’olom-bitsy”, hoy izy. Nam­barany ihany koa fa tokony tsy hivadika amin’ny mpifidy izy ireo, hipetraka amin’izay maha tsy miankina azy ireo izay.
Hanova fomba fijery sy fanaovana politika rahateo ny safidim-bahoaka tamin’ity indray mitoraka ity.

Lin

Partager sur: