BNI Madagascar: manohana ny fandraharahana maitso

Miara-misalahy amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana maitso ny BNI Madagascar, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, toa ny WWF, Pnud sy mpamatsy vola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa BNI Lovainjafy. « Tanjona ny hisarihana ny mpandraharaha sa­mihafa hikajy ny lafiny sosialy sy ny tontolo iainana noho ireto farany mbola miantoka tanteraka ny akora ampiasaina eo amin’ny sehatry ny lalam-pihariana ataony », hoy ny tomponandraikitra ara-tontolo iainana sy sosialy ao amin’­ny BNI Madagascar, Rasoa­narivony Mialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Voaresaka, nandritra izany, ny fanamby sy ny vahaolana ary ireo tombony ilaina amin’ny fandraharahana maitso ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena manaja ny tontolo iainana. Nisy, araka izany, ny lohahevitra novoaboasan’ireo mpiantsehatra ara-toekarena samihafa teny an-toerana. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpandraharaha dimy mendrika indrindra tamin’ny fifaninana BNI Lovainjafy, tamin’ny taon-dasa izay nitondrany fanazavana makasika ny seha-pihariana. Fandraharahana izay manome lanja tanteraka ny lafiny sosialy sy mametraka ny lokan’ady ny tontolo iainana eo amin’ny lalam-pihariana.

Fampandrosoana
Antoka ho an’ny fampandrosoana maharitra ny fandraharahana maitso noho izy manaja ny tontolo iainana sy misarika mpamatsy vola ao anatin’ny seha-pihariana maitso toy ny fampiasana ny angovo azo havaozina sy ny fitantanana ny harena voajanahary.

Henintsoa Hani

Partager sur: