Dadah R’Abel: hisy ny embona sy hanina

70 taona izy, raha mbola teo… Vao tamin’ny 21 jona lasa teo no niara-nahatsiahy ny tsingerin-taonan’i Dadah R’Abel ireo akaiky sy mpankafy azy. Tsy avela handalo fotsiny izany fa hisy ny “Embona sy hanina an’i Dadah R’Abel”, izay hotontosaina anio 29 jona, etsy amin’ny PK 00 Soarano, manomboka amin’ny 4 ora hariva ny fotoana tsy manam-paharoa.
Tsy manam-paharoa satria raha ny fijery ny mpanakanto handray anjara an-tsehatra, miendrika “fampihavanana” anatin’ ny zavakanto izany. Zokiny indrindra amin’ireo mpandray anjara i Benny, Lôlô sy ny tariny. “Indray nihira” tamin-dry Dadah, ivelan’ ny tarika Mahaleo izy ka ankasitrahin’ny mpankafy izany. Eo koa ireo niray tarika taminy tao amin’ny Dadah R’Abel, toa an-dry Eric Rason sy i Nary. Hanampy izany ireo nanara-davahana taty aoriana, toa an-dry Mahery, Ony, Tolotra, Bim, Tojo Guitariste ary ny Mahaleo Taranaka. Mbola hisy aza ny tsy ampoizina, raha ny filazan’ny Baobab Prog, izay mpikarakara.

Zo ny Aina

Partager sur: