Depiote Mily sy i Lalatiana: samy nisaotra ny vahoakan’i Faratsiho

“Marina fa nisy fanafoanana vato 142 tany amin’ny fokontany Ambero Tsara­mody, Vinaninony Atsimo”, hoy ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Faratsiho, avy amin’ny vondrona Firai­san­kina, Ramilison Andria­mam­pionona na i Mily. No­tsiahiviny fa betsaka ny fifamaliana teny amin’ny HCC. Niezaka ny nanafoana vato 2 100 mahery tany Vinaninony Atsimo ny kandidà mpifaninana. Nandresy anefa izy ireo. “Fandresena ho an’ny vahoakan’i Faratsiho izany”, hoy izy. Nisaotra ny vahoakan’i Fa­ratsiho nifidy ny hitondra ny feony sy ny hetahetany; eny, na ny tsy nifidy aza ny depiote Mily. Tsy mpifahavalo fa mpifaninana ny kandidà. Ny fahantrana no fahavalo. Mba hitondrana ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana. Tapitra eo ny fanenjehana na ny ady. Hajaina ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahamarinana.
Etsy andaniny, nanaiky ny voka-pifidianana ny kandidà, Rakotondrazafy Lalatiana. Niarahaba ny depiote Ra­milison Nomenjanahary izy. “Mba tena hiasa ho an’ny vahoaka. Mankasitraka koa ny vahoakan’i Faratsiho, ary mankahery ireo ekipa rehetra”, hoy izy. Nanteriny fa tsy hahasakana ny tsy hanohizana ny asa efa natomboka, ho an’iny distrika iny izany.
Nambarany fa niady ho an’ny marina sy nijoro tamin’ny rariny hatramin’ny farany izy ireo. “Teo ny tsy fanarahan-dalàna matoa nofoanan’ny HCC ny vaton’ny mpifanandrina kanefa nandresy ihany izy. Manaiky ny fitanta­nan’An­driamanitra isika fa izay izany no fantany fa mahahasoa”, hoy ihany izy.

R. Nd. sy Synèse

Partager sur: