Fampiasana ny teknolojia: mirongatra sy miha tanora ny areti-maso eto Madagasikara

Mirongatra ny areti-maso, toy ny Glocome, manerana ny Nosy. Sady mahajamba no tsy ahitam-panafana izy io. Miha tanora hatrany ny marary noho ny fampiasana ny teknolojia be loatra.

Efa marary maso sy manao solomaso sahady ny zaza iray manom­boka eo amin’ny fahafito taonany, fara fahakeliny. Antony mampirongatra izany ny fampiasana diso tafahoatra ireo teknolojia maro samihafa. Toy ny finday sy ny fijerena fahi­talavitra ary ny fampiasana solosaina ela loatra. Amin’ny ankapobeny, efa omen’ny ray aman-dreny finday sy avela hampiasa karazana teknolojia samihafa ny ankizy ankehi­triny. Efa mahay mikitika sy mampiasa izany mihoatra lavitra noho ny olon-dehibe aza izy ireo, raha ny zava-misy. « Misy vokany ratsy eo amin’ny fahasalaman’ny maso ny Ultra-Violet sy ny jiro miloko manga sy fotsy mivoaka amin’ireny fitaovana ireny”, hoy ny Dr Solofo Georges, lehiben’ny mpitsabo maso ao amin’ny Institut de la Vision Madagas­car.

Glaucome

“Mirongatra ihany koa ny areti-maso antsoina hoe glaucome eto Madagasikara”, hoy hatrany izy. Aretina iray mita­rika fahajambana izy io ary tsy misy fanafany na didiana aza. Aretina any amin’ny hozatry ny maso izy io, miha maty tsikelikely ny sela ao anatin’ny maso ao ka mahatonga izany. Nohamafisin’ny mpitsabo fa tsy marary io aretina iray io saingy mikiky ao anatin’ny maso ary mitarika tsikelikely any amin’ny fahajambana. Fandidiana faharoa ataon’ny mpitsabo eto Madagasikara izy io aorian’ny katarakta. Mbola vitsy ireo manatona mpitsabo amin’izao fotoana izao. Efa misy fiantraikany amin’ny fijerena sy ny maso kosa vao ma­natona mpitsabo ny ankamaroan’ny olona. Mila tiliana mialoha izy io mba hisorohana ny fahajambana tanteraka na tsy ahitana fanafany eo amin’ny olona iray.

Mino

Partager sur: