Fandaharanasa Jica Chair: hisy velakevitra ho an’ny mpianatry ny Oniversite

Manomana famelabelaran-kevitra ho an’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny 12 jolay ho avy izao, ny fandaharanasa “Jica chair” eto Antananarivo. Hiompana amin’ ny lohahevitra roa: ny tontolon’ny fampahalalam-baovao any Japon sy ny vina amin’ny hoavy ny voalohany. 60 taona niarahana niasa tamin’i Afrika i Japon ka hizara ny zava-misy manodidina izay ny lohahevitra faharoa. Hitondra ny velakevitra mandritra ny tontolo andro ny profesora Hayashi Kaori, filoha lefitra mpanatanteraka ao amin’ny Université de Tokyo sy ny profesora Cornelissen Scarlett, talen’ny Centre du Japon ao amin’ny Oniversite de Stellenbosch. Lohahevitra samy manana ny lanjany amin’izao fotoana izao ireo ary hanampy ny tanora mpianatra hahafantatra ny tantaran’ny fampahalalam-baovao japoney. Eo koa ny fijerena manokana ny fiaraha-miasa misy eo amin’i Madagasikara sy i Japon amin’ny fampandrosoana samihafa. Afaka misoratra anarana eny anivon’ny departemanta misy azy avy (ao anatin’ny Oniversiten’Anta­na­narivo) ny mpianatra liana hanatrika ny velakevitra. Eo amin’ ny andiany fahadimy ny fandaharanasa Jica Chair eto amintsika.

Vonjy

Partager sur: