Natao sonia omaly, ny fiaraha-miasan’ny banky Société Générale (SG) sy ny trano fiantohana Aro, antsoina hoe Soavà. Fifanarahana mifantoka amin’ny fiantohana ny mpanjifan’ny banky SG Madagasikara amin’ny lafiny fitsaboana. Afaka misitraka ity tolotra ity avokoa ny tsirairay, ny ankohonany, fa indrindra koa ny mpiasa any amin’ny orinasa.
Tafiditra ao anatin’ny Soavà ny fanamorana ny fitsaboana any amin’ny hopitaly, ohatra. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny trano fiantohana Aro, miantoka ny fanomezan-toky amin’ny banky SG, amin’ny lafiny saram-pitsaboana.
Mitovy ny tanjona iraisan’ny banky SG Madagasikara sy ny trano fiantohana Aro, dia ny fitsinjovana ny daholobe. Tafiditra ao anatin’izany ny fisintonana ny daholobe hiditra ao anatin’ny tontolo ara-bola, izay manamora ny filana amin’ny lafiny samihafa, ho an’ny banky SG Madagasikara. Ho an’ny fiantohana Aro kosa, tanjona ny hanomezan-toky ny rehetra fa misy ny fomba hanamorana sy hanampy amin’ny fandaniana azo antoka, amin’ny sehatra samihafa, toy izao lafiny fitsaboana izao, ohatra.
Njaka A.