Fiarovana ny ankizy: nivory ireo komitim-pirenena

Nikaondoha ireo komitim-pirenena ho an’ny fiarovana ny zon’ny ankizy tamin’ity herinandro ity. Nanokatra izany ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsa­rana sady minisitry ny Mpo­nina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanante­nasoa Landy Mbolatiana.

Hiandraikitra manokana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo paikady napetraka mahakasika ny fandaharanasa ho fiarovana ny zon’ny ankizy izy ireo, indrindra ny ady amin’ny herisetra.

Nojerena manokana ny fanamafisana ny fandrindrana ireo fandaharanasa sy politika nasionaly amin’ny fiarovana ny ankizy, ny andraikitry ny komitim-pirenena, izay faritan’ ny lalàna sy didim-pitondrana mandrafitra sy mampahafantatra ireo zo fototra tokony ho­sitrahan’ny ankizy.

Kendrena hipaka amin’ireo ankizy ny ezaka rehetra atao ary hisongadina ny akon’izany eny amin’ny fiarahamonina mba ho tena hiaro tokoa ireo ankizy. Maro ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy, amin’ny alalan’ny fi­kambanana samihafa, ka tokony ho miantraika amin’izy ireo ny asa.

Ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, ny Unicef ary ireo mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy no nahafahana nanatontosa izany.

Tatiana A

Partager sur: