“Iray volan’ny teny malagasy”: mila manao ezaka mitohy ny tsirairay

Hivalona tsy ho ela ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Amin’ny ankapobeny, saika nitovy tamin’ny hita isan-taona ihany ny zava-niseho tamin’ity. Noho izany, misy tsy tontosa ao !

Atrikasa, velakevitra, fam­pirantiana, famoahana boky… Saika efa fahita sy faheno nandritra ny taona maro nisian’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Ao ireo nokendrena sy nalatsaka hifanitsy amin’ny volana jona. Fa tao koa ireo tafara-dalana tsy satry. Hivalona afaka andro vitsy ny ankamaroan’ny hetsika. Azo antoka ny fisian’ny zava-baovao voarain’izay mila izany. Naparitaka sy novoizina, araka izay, tratra rahateo izy ireny. Ny sasany aza moa niteraka fifanakalozan-kevitra mafonja !

Avy amin’ireny no nahatazanana fa mbola mila manao ezaka goavana sy mitohy ny Malagasy tsirairay. Tsy mahafantatra, tsy mahafehy ny teniny ny Malagasy. Mbola maro ny Malagasy indrindra fa ny tanora no tsy mampiasa ny voambolana malagasy, satria, havanana amin’ny « fangalarana » ny teny vahiny. Lesoka avokoa ireo !

Ezaka tsy mandeha ila…

Raha mbola ampahan’olona, na fikambanana vitsivitsy no kitro ifaharana amin’ny fanomezan-kasina ny teny malagasy, sarotra ny ahita vokatra tsara. Mila ovaina tanteraka ny toe-tsaina, ny fanabeazana, ny fitaizana, ny fampianarana, ny fifampifehezana, isan-tsehatra. Raha ilaina, apetraka ho lalàna izany. Ohatra, teny malagasy no teny ibeazana.

Mandeha ila izany, raha mbola itambesaran’ny « tro­sa » isan-karazany ny Ma­lagasy. Iray amin’izany, ohatra, ny fanampiana mihoa-pampana ataon’ny vahiny ho an’ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara. Fanampiana tsy ahafahan’ny zaza malagasy mivelatra ireny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: