Kitra – “Coca-Cola PFL”: hiady ny amboara ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC

Hofantatra rahampitso izay ho tompondakan’i Madagasikara, fifaninanam-pirenena “Coca-Cola Pureplay Foot-ball League”. Hotolorana lelavola izay mivoaka ho mpandresy.

Hotanterahina, anio, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus by-pass, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Coca-Cola Pureplay Foot-ball League (PFL)”, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny Elgeco plus Analamanga sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Nilaza ny filohan’ny CFEM, Rakotoa­rimanana Henintsoa na i Tôta, omaly, teny Andoharanofotsy, fa hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ariary izay mivoaka ho mpandresy amin’izany.

Tsiahivina fa mbola manala vela ny mpilalaon’i Vaki­nankaratra amin’ity fifanandrinana ity. Ny 10 febroary 2024 lasa teo, lavon’ny Elgeco Plus, 1 no ho 0, izy ireo. Tsara marihina fa samy klioba nifandona tao amin’ny Kaonferansy Atsimo izy roa tonta ireo. Ankoatra izay, samy naneho ny fahavononany hisolotena an’i Madagasikara any amin’ny fifaninanana afrikanina, “Ligue des Champions (LDC) Caf”, avokoa ny klioba roa tonta. Ampahatsiahivina ihany fa izay tompondaka amin’ity lalao ity no manao io LDC Caf io.
Nambaran’izy ireo hatrany fa efa manana ny taratasim-pilalaovana avy any amin’ny Caf avokoa izy ireo.

Fitia Randria

Partager sur: