Madagascar J.K.A – Fi. Karate.Ma: nomen-kasina ny Sensei Rakotomalala Armand

Vy nahitana sy angady nananana, nanangana ny Madagascar Shotokan Karate Associaton (M.S.K.A), izay lasa Madagascar Japan Karate Association. Noto­no­nina J.K.A, ho an’i Mada­gasi­kara, tato aoriana. Nanasa ilay « Expert » Sensei Daniel Lautier, nanofana sy nizara traikefa ka nahazoan’ny mpikatroka karate eto an-toerana tombontsoa. An-jatony maro no liana sy nanaraka ny fiofanana. Maro tamin’ireo ny tanora. Ezaka sy asa roa lehibe notanterahin’ny Sensei Rakotomalala Armand ireo ka nahatonga ny Madagascar J.K.A sy ny Fi. Karate.Ma nanolotra mari-pankasitrahana ho azy, ny 21 jona teo, tao amin’ny Académie nationale des sports, Ampefiloha (ANS).
Voalohany amin’ireo tondrojotra miisa 20 ao amin’ny taranja karate ny hoe : « tsy hadinoina velively fa manomboka, ary mihafara amin’ny fanajana ny karate. Fanajana ny mpanabe, ny mpiara-mikatroka, ny olona, ny toerana, ny fitaovana ary ny fanajana ny fiainana no vaindohan-draharaha », (Gichin Funakoshi). Fanamarihana izay fifanajana izay no nahatonga ireto mpikatroka ireto nanolotra io mari-pankasitrahana vokatry ny fo io.

Notsiahivin’ireo mpitarika ny Madagascar J.K.A sy ny FI.Karate.MA fa « ny kolovatana sahaza, mandala ny fanandratana ny maha olona dia antoka iray mametraka amin’ny toerany ny tena maha izy azy ». Noho izany, nirary ny rehetra mba tsy hijanona fotsiny amin’ny maha fifaninanana hibatana fandresena ihany ny karate fa ho famolavolana ny maha olona feno!

 

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: