Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Mavesatra ny adidinareo solombavambahoaka”

Niarahaba sy nirary soa ireo solombavambahoaka voafidy manerana ny Nosy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina.

Tsy ho mora! Notsiahiviny tamin’izany fanambarany izany ny zava-dehibe miandry ireo olom-boafidy ho etsy amin’ny Lapan’ny An­tenimierampirenena etsy Tsimbazaza ireo. “Manan­danja ary tena mavesatra ny adidy hiantsorohanareo ho an’ny dimy taona manaraka, koa mirary anareo rehetra hahefa be sy hahatontosa amin’ny andraikitra hosahaninareo ho an’ny firenena izahay”, hoy izy, tao amin’ny tambajotran-tserasera, omaly.
Nialoha izany, nanao fa­nambarana, niarahaba sy nirary soa, ho an’ny Malagasy mpiray tanindrazana, eto an-toerana sy any ivelany, nahatratra ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena koa ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Nirary fety sambatra ho an’ny tokantrano tsirairay amin’ny anaran’ny tenany manokana sy ny ankohonany ma­nontolo izy tamin’izany fanambarana izany. “Hitombo hatrany anie ny hambom-po sy firaisankina eo amintsika Ma­lagasy ary i Madagasikara tsy maintsy mandroso”, hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny nanatrika ireo lanonana nanamarika ny fetim-pirenena, ny alarobia 26 jona teo, tetsy Mahamasina, ny minisitra. Tahaka izany koa ny nanatrehany ny voka-pifidianana so­lombavambahoaka ofisialy, notanterahina ny alakamisy 27 jona lasa teo, tetsy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Am­bo­hidahy. Niaraka taminy koa ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta.

Synèse R.

Partager sur: