Rajoelina Mialy: « Mahavita zavatra tsara ny vehivavy »

Nisokatra omaly sy mitohy anio, etsy amin’ny Novotel Ivandry, ny Tsenabe iraisam-pirenena “COMFWB Trade Fair & Conference”. Hetsika hampiroboroboana ny fandraharahan’ny vehivavy malagasy sy afrikanina.

Miaraka mikarakara ny tsenam-paritra afrikana Comesa ny Fede­rasiona vehivavy mpandraharaha ao amin’ny Comesa (COMFWB) sy ny Vondrona vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM). An­diany fahadimy ity hetsika ity ary firenena voalohany miteny frantsay mandray azy i Ma­dagasikara. Miisa 21 ny firenena aty Afrika mandray anjara. Nambaran-dRazaka­boana Fanja, filohan’ny COMFWB sy ny GFEM, fa tanjona ny hikarohan’ny vehivavy mpandraharaha malagasy sy ny ao anatin’ny Comesa mpiara-miombon’antoka mivantana sy lalam-barotra. Miisa 3 000 ny mpitsidika andrasana.
Nanokatra ny fotoana ny vadin’ny filoham-pirenena, Ra­joelina Mialy. Nambarany fa « mahavita zavatra tsara lavitra mihoatra ny lehilahy ny vehivavy. Mitondra fampandrosoana ho an’ny toekarena sady mahavita tena. Miteraka sandan-karena fanampiny (Valeur ajoutée) ny fanodinana ny akora fototra ho vokatra. Manaja ny harena voajanahary ny fizahantany. Ilaina ny fanofanana ara-teknika, ny fitantanana, ny lafiny vola, ny fahaiza-mivarotra, sns ».

Taninketsa indostrialy
Nomarihin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Raza­findravahy Edgar, fa ivon’ny toekarena ny vehivavy. Maro ny tohana ataon’ny fanjakana ho an’ny mpandraharaha. Toy ny famoahana ny lalàna ho an’ny fampiasam-bola, ny kaoperativa, ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana ara-toekarena iraisam-pirenena samihafa, sns. Anisan’ny hifantohana, ankehitriny, ny taninketsa indostrialy (Odof) ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME- PMI). Efa miisa 69 ny tafapetraka any amin’ny distrika. Tanjona manaraka ny fanondranana any ivelany, ka mifanandrify amin’izany ity hetsika “CMFWB Trade Fair” ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: