Solom-bava mba aoka…

Hilamina amin’izay ny tany sy ny fanjakana? Indrindra ny politika… Misy ary voamarina ny fahazoana maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena; eny, na eo aza ny karazana kajikajy sy fampitandremana politika: tsy tokony hiandany hatramin’ny farany ireo depiote tsy miankina, mila miverina amin’izay niaviany ireo avy amin’ny antoko politika… Na ahoana na ahoana, ilaina ny fahamarinan-toerana ahazoana mandeha amin’ny fampandrosoana. Toy ny ilana ny mpanohitra ho tsindrilentam-pahefana amin’izay atao: mba tsy hisy ny fanjakazakana, henoina ny hevitry ny hafa na vitsy anisa aza…
Kajikajy sy paipaika politika avokoa izany? Amin’izay no iadiana sy ifamaliana, fa tsy ndeha hifampitaritarika eny an-dalambe, ohatra. Ho an’ny vahoaka, ahoana amin’izay ny fampandrosoana? Indrindra ny fihatsaram-piainana ahay… Mbola lalina sy maharitra ny fahasahiranana sy ny fahantrana. Tsy vitan’izany, efa mitatao indray izao ny fampiakarana ny vidin-tsolika ho amin’ny vidiny tena izy. Hanao ahoana ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’izany? Izay iainana izao aza efa tsy eran’ny aina sy tsy takatry ny saina ny ahazoana mivelona amin’ny fahafaha-mividy ambany dia ambany.
Iza no hiady ho an’ny vahoaka amin’izany? Eo ny solombavambahoaka vao nametrahany fitokisana. Tena hiady ho azy? Solom-bava mba aoka tena hitondra ny feo sy ny hetahetam-bahoaka, mahalala sy miaina izay maharary azy… Mba aoka tsy ho solontenan’ny antoko na vondrona fotsiny amin’ny ady politika, fa ho solontenan’ny vahoaka nifidy ny tena tokoa: tsy hisy ny fivadiham-pitokisana amin’izany, na fiadiana tombontsoa manokana. Mba ny ady ho amin’ny tombontsoam-bahoaka no hampiady, fa tsy adilahy politika amin’ny fifanenjehana sy fifankahalana. Vita ve izany? Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: