Taratry ny kanto

 Nivoaka ny lisitra farany amin’ireo handray anjara amin’ny “Generation 2000’s”. JoyK, izay handrasana manokana avy any an-dafy, Unik izay niverina tamin’ny endriny voalohany nahafantaran’ny maro azy, Spy D izay efa ela tsy hita an-tsehatra, Titi, tsy heno elaela ihany koa ary i Tovo J’Hay sy Raboussa, izay mameno ny fepetra.

 Anisan’ny handray anjara amin’ny sehatra kolontsaina, mandritra ny Lalao Olympika 2024, atao any Paris, amin’ny faran’ny volana jolay 2024, ny Bloco Malagasy. Ny fivelesana amponga, izay ahafantarana azy ireo no entiny mandritra izany. Miisa 11 ireo mpively amponga hihazo an’i Paris. Izy ireo izay vehivavy avokoa.

 Tanterahina eny amin’ny AFT Anda­va­mam­ba, anio maraina, ny “Asteroid Day”. Fanka­lazana ny andron’ny planeta kely ity marihina anio ity. Raha ny fandaharam-potoana eny an-toerana, hisy ny velakevitra iresahana ny mahakasika ireo planeta kely. Ny tapany faharoa kosa no ahitana atrikasa famoronana momba ny Planeta kely.

 Hanakatona ny fanamarihana ny « Iray vo­lan’ny teny malagasy » ny foibe fikarohana sy fampiofanana momba ny mozika Valiha Académie. Hitendry ireo hira maneho ny fitiavana ny teny malagasy izy ireo. Hanome hasina ireo mpamoron-kira sy mpitendry zavamaneno heverina fa nahatazona sy nanaja fatratra ny hira malagasy. Amin’ny ankapobeny, saika voasokajy ao anatin’ny atao hoe « kalo » izy ireny. Eny amin’ny Lycée Privé Daniel Andravoahangy Ambony no hanatanterahina izany fitendrena izany.

Partager sur: