Tarika ‘Zay: hanolotra seho miavaka ho an’ny mpankafy

Tsy maty ny tarika fa mitohy hatrany na eo aza ny fahalasan’i Nary. Izao tokoa mantsy vao hiaka-tsehatra indray izy ireo taorian’ny fahalasanany, ankoatra ilay fampise­hoana nentin’ny mpanakanto rehetra nahatsiaro azy.

Hanatanteraka fampi­sehoana eny amin’ny Kianja Barea Mahama­sina, ny tarika ‘Zay, ny takarivan’ny 6 jolay 2024. Fampise­hoana hankalazana ny faha-28 taonan’ny tarika. « Samy te… » no lohatenin’ity fampisehoana ity. « Fotoana lava no tsy ni­ha­onana ka efa samy tsindrian-daona sy hiaraka hankafy fiarahana indray”, hoy i Malala, nisolo tena ny tarika. Ankoatra izay, tanjona amin’ny fampisehoana ihany koa ny fampahafantarana sy fanehoana ny tarika amin’ny endriny tsy misy an’i Nary. “Misy ny tarika ary hotohizanay hatrany. Tsy ho soloinay i Nary ary tsy hovoasolonay mihitsy, fa izahay no hiezaka hanohy izany, araka izay fahaizanay azy”, hoy i Malala.
Mitohy hatrany ny fanomezan’ny tarika ‘Zay fahafaham-po ny mpankafy azy. Ho tafiditra ao anatin’ireo fampisehoana miavaka indrindra izy ity. Ani­san’ny hampiavaka izany ny toerana, eo ihany koa ireo hira handravaka ny fampisehoana. Hasongadina, mandritra io fampisehoana io ireo hiran’ny tarika tsy dia fahita an-tsehatra sy tsy fanaon’ny tarika rehefa misy fampisehoana. Tsy hohadinoina ihany koa anefa ireo hiran’ny tarika na­hafantarana sy nankafizan’ny mpankafy azy saingy amin’ny endriny vaovao tsy mivaona amin’ny naha izy hatramin’izay. Hampiavaka ny fampisehoana ihany koa ny jiro, ny sehatra ary ny haingon-tsehatra.

28 taona
Tarika anisan’ny nanamarika ny taona 90 ity mpankanto ity. Izany indrindra no nanosika ny mpikarakara sy ny mpanohana maro hanao ny fampisehoana. Nahatratra fito ny rakikira tao anatin’izay 28 taona izay. Nanambara koa ny solontenan’ny tarika fa efa ao anatin’ ny fanomanana ny faha-30 taona izy ireo amin’izao fotoana izao. Mbola manana ny mpankafy azy sy ao am-pon’ny maro hatrany ny tarika ‘Zay, na eo aza ny fivoarana sy ny fandrosoan’ny mozika ankehitriny.

Lin

Partager sur: