Sombim-baovao

 Hatao anio sy rahampitso, ao amin’ny kianja Saint Denis La Réunion, ny fifaninanana “Run Ball 2024”, taranja basikety 3×3. Hiatrika ny fifanintsanana “Challengers de Pristina” any Kosovo, izay mivoaka mpandresy amin’izany. Tsara marihina fa samy mandray anjara ao avokoa ny Ankoay, lahy sy vavy.

 Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fanokafana ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja Karate, eto anivon’ny ligin’Analamanga. Miisa 308 eo ireo mpifaninana handray anjara amin’izany. Hatao ny alahady hariva eny an-toerana ny lalao famaranana.

 Hotontosaina any amin’ny Nosy Maurice, ny 29-30 jona sy ny 6 hatramin’ny 7 jolay ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina « Africa Men’s seven 2024 », taranja rugby lalaovin’olona fito. Ao anaty vondrona « A » no misy an’i Madagasikara. Hifanandrina amin’izy ireo voalohany, anio, i Nigeria.

 Hiatrika ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, taranja baolina kitra, izay atao any Allemagne, ny mpankafy ny baolina boribory, manomboka anio. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro amin’izany ny fifanandrinan’i Allemagne, mpampiantrano sy i Danemark.

Partager sur: