Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny zandary, raha tsy izany matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray tratra teo am-pangalarana moto, tao amina tokantrano iray eny Ambohitrimanjaka, ny sabotsy hariva teo. Nipetraka teo an-tokotany ny moto iray ka nidiran’ireo jiolahy ary saika havoakany tao. Tsikaritry ny tompony anefa ny fidiran’ireo olon-dratsy satria tsy mbola nisy natory ny olona tao an-trano. Nifanome tanana avy hatrany ireo mpiray monina ao an-tanàna ka noraisim-potsiny teo am-pangalarana ity jiolahy ity. Tafaporitsaka ny jiolahy iray raha vao naheno ny fahatongavan’ireo olona tao an-tanàna raha voasambotra kosa ny iray. Nentin-katezerana ireo mponina ka samy nidaroka ilay jiolahy. Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy saingy tonga haingana ireo zandary naka azy. Tamin’io fotoana io ihany, moto iray hafa koa azon’ny zandarimaria rehefa nisy nangalatra teny Ivato. Manao antso amin’izay mety ho tompony ny zandary mba handalo ao amin’ny biraon’izy ireo miaraka amin’ny taratasy manamarina ny maha tompony. Tsikaritra tato ho ato fa mirongatra izaitsizy ny halatra moto eto an-dRenivohitra. Tambajotra goavana mihitsy no misehatra amin’izy ity. Anisan’ireo fitaovana ampiasain’ny jiolahy rehefa manao ny asa ratsiny ireny moto ireny.
J.C