Mandeha ny kajikajy! Efa miparitaka ny anaran’izay ho filohan’ny Antenimerampirenena. Toraka izany, ny handrafitra ny birao maharitra sy ny filoham-baomiera.
Hivory manokana ny talata 9 jolay izao, araka ny voalazan’ny lalàna, ny Antenimierampirenena. Hiatrika izany ireo depiote miisa 163, vao nofidiana ny 29 mey lasa teo. Vaindohan-draharahan’izy ireo ny fifidianana izay ho filohan’ny Andrimpanjakana mpanao lalàna. Maromaro ireo anarana efa mihely sy heno etsy sy eroa. Anisan’ izany ny depioten’i Fianarantsoa I, ny minisitra teo aloha, i Sahondrarimalala Marie Michelle. Anisan’ireo akaiky ny filohan’ny Repoblika ny tenany. Manam-pahaizana zanaky ny faritan’i Fianarantsoa. Efa avy any sady vehivavy rahateo ny filoha teo aloha. Mety ho paikady ny fametrahana azy izany. Manana ny maro anisa rahateo ny antoko Irmar misy azy. Mbola misy ny tsy miankina izay mety hizarazara, arakaraka ny tombontsoany.
Filoha lefitra isam-paritany
Mbola adivarotra kosa ireo ho filoha lefitra isam-paritany. Mbola ho voatana amin’ny toerany Raholdina Naivo, amperinasa amin’izao fotoana izao? Hiova kosa anefa ireo any amin’ny faritany hafa. Mety ho ny minisitra teo aloha, i Tokely Justin, no ho an’Antsiranana, raha mbola ifandroritana ny any Toamasina, eo amin’ny depiote Imbiki Herilaza sy Naharimamy Irma. Tahaka izany koa ny any Toliara. Eo ny depiote Milavonjy Philobert, mpanohana mafana fo ny fitondrana sy ny minisitra teo aloha isany, i Tinoka Roberto na koa i Resampa Haja. Tsy mbola fantatra kosa ny an’i Fianarantsoa sy i Mahajanga.
Synèse R.