Boky malagasy : navoaka ny « Teny malagasy ahefan-draharaha »

« Izay tia ny teniny, tia ny taniny ». Anisan’ny fomba ahafahana mahafantatra bebe kokoa ny teny malagasy ny fisian’ ny boky. Tsy hijanona amin’izao fa hitohy hatrany ny ezaka fampahafantarana sy fanarenana ny teny malagasy.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fanolorana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy ny boky « Teny malagasy ahefan-draharaha ». Boky nosoratan’ireo mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny za­natsehatra Malagasy, eo anivon’ny sampam-pianarana Soratra sy siansa maha olona, eny amin’ny Oniversiten’An­tananarivo. Nandray anjara tamin’ny fanoratana ity boky ity ihany koa ireo mpianatra manomana ny mari-pahaizana « Doctorat ». Tanjona ao ana­tin’izao famoahana boky izao ny fanarenana ny hasin’ny teny malagasy.
Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny mpikirakira ny teny malagasy ny teny amin’ny Tranombokim-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Ny boky « Teny malagasy ahefan-draharaha », 274 pejy, ahitana fizarana telo, sy lahatsoratra 16 no nampahafatarina tamin’izany. Ny fizarana voalohany izay misy lahatsoratra miisa dimy, miresaka mahakasika ny hainteny. Ny fizarana faharoa, ahitana la­hatsoratra dimy ihany koa, miresaka mahakasika ny serasera sy ny fifandraisana. Lahatsoratra enina kosa no mandrafitra ny fizarana fahatelo farany, miresaka ny haisoratra.
Amin’ny ankapobeny, ny olana sy ny zava-misy iainan’ ny teny malagasy ankehitriny no resahin’ireo lahatsoratra ireo. Maro ihany koa ny vahaolana sy tolo-kevitra atolotry ny mpanoratra ao anatin’izany ho fanatrarana ny tanjona fanarenana sy famerenan-kasina ny teny malagasy. « Samy tompon’andraikitra ny rehetra amin’izao zava-misy iainan’ny teny malagasy izao. Tomponandraikitra voalohany amin’izany kosa ny manam-pahaizana manokana momba ny teny malagasy, izay tsy nahay nandray sy nampihatra ny nianarany. Eo ihany koa ny fitondram-panjakana izay manome vahana ny teny vahiny ao anaty fandaharam-pianarana », hoy ny profesora Ranaivoson Jeannot Fils, anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanatontosana ny boky. Tena ilaina ny famokarana boky sahala amin’izao saingy mbola olana ny tsy fahampian’ny enti-manana sy ny tsy fisian’ny mpanohana, araka ny nambaran’ity tomponandraikitra ity hatrany.

Lin

Partager sur: